Ry Andriambavilanitra rehetra,
tompon’ny andro anio,
Ry reny, Rahavavy, Zoky, Zandry, Zanaka,
Amin-kafaliana no hiarahabako anareo.
Arahaba manokana no hatolotra antsika vehivavy nahatratra
izao andro lehibe izao, dia ny 8 martsa 2017.
Eto Antananarivo no tokony ankalazana ny hetsika nationaly
tamin’ity taona ity, kanefa noho ny loza voajanahary mihatra eto amin’ny
Firenena, dia voatery nofoanana izany hetsika izany.
Etoana, dia maneho ny fiaraha-miory amin’ireo
fianakavian’izay namoy havana, zanaka, ray aman-dreny, tamin’ny fandalovan’ny
rivo-doza ENAWO, ny tenako. Mirary fiononana feno hoazy ireo ary mankahery
ihany koa ireo tra-boina.
Raha ny momban’I Madagasikara manokana no resahina, dia tsy
izao isika no manamarika izany, fa efa an-taonany maro, ary tany amin’ny
faritra samy hafa toy Vangaindrano, Toliary ary Antsiranana.
Marihina fa maro ihany koa, ny distrika manao ny hetsika, ho
fanamarihana ny andro’ny vehivavy.
Fa maninona tokoa moa no misy izany hoe andro
iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izany?
Fampatsiahivana fa mbola lavitr’ezaka, ny ady sy tolona
hatrehina hahatanteraka ny fitovian-jo, eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary ny fahafahan’ny
vehivavy misitraka ny zony feno, izay voasoritra mazava, ao amin’ny andininy
voalohany sy faharoan’ny fanambarana iraisam-pirenena, momba ny Zon’olombelona
Isaky ny 8 martsa, dia manao jery todika ny ezaka vita ho
amin’ireo tanjona ireo, ny firenena tsirairay. Eo koa no hanararaotana, mba
hanaovana antso sy fanentanana, ho amin’ny zava-baovao tokony hatrehana, na ny
fanitsiana tokony hatao.
Fotoana tokoa ny andro toy izao, mba izarana sy
ampahafantarana ny zavatra misongadina vitan’ny vehivavy, na eto an-toerana na
any ivelany, ka hitondra soa ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Ny fiainana andavan’androntsika eo anivon’ny ankohonana toy
ny: fanabeazana sy fitaizana, fikarakarana ny tokantrano, ny famelomana ny
ankohonana, satria efa maro amintsika no sady lahy no vavy.
Isika vehivavy dia fanoitra lehibe, eo anivon’ny
fampandrosoana ny firenena; arak’izany , “ny andraikitra lolohavina, ny
adidy sakelehina”.
Eo andaniny, ny tahan’isa: 50 isan-jaton’ny mponina eo ho eo
isika vehivavy. Koa raha izany 50 isan-jaton’ny mponina amin’ny firenena iray,
no tsy mba tafiditra akory ao anatin’ireo afaka misitraka ireo lalam-pivoarana,
sy ny tolotra ary tombony entin’ny fampandrosoana, dia tsy handroso velively ny
firenena.
Asiako tsindri-peo manokana, ohatra ny tokony hanohizana sy
hanampiana ny ezaka efa natomboka, mba hanamoràna ny findramam-bola ny vehivavy
any amin’ny banky na ny micro-finance.
Amin’izao fotoana izao, dia araraotiko ny miarahaba manokana
ireo fikambanam-behivavy mpandraharaha, vao niforona tamin’iny taona lasa iny,
sy ny fikambanan’ireo vadin’ny masoivoho sy tompon’andraikitra vahiny, monina
eto Madagasikara niforona tamin’ity taona ity.
Midika izany fa mihetsika ny vehivavy ary mandray
andraikitra.
Ny mahafinaritra dia ny mahita fa tsy vitan’ny hoe tsy mba
mitarai-tana-miepaka isika vehivavy, fa tena mikaroka sy mandalina mba hamorona
sehatra fitadiavana vaovao.
Izay mihitsy no tonga amin’ilay hoe “vehivavy mahefa,
antoky ny fampandrosoana”, lohahevitra iompanan’ny fankalazana ny 8 martsa
amin’ity taona ity.
Manamafy izany, ny hamaroan’ireo nandray anjara tamin’ny
Fifaninanana tetik’asa vehivavy mizaka tena ara-toekarena. Ary hamafisiko
hatrany ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy rehetra amin’ny sehatra maro
samihafa.
Tompokovavy, tompokolahy,
Raha atao jery todika ny ezaka nanatsarana ny fiainan’ny
vehivavy, eto Madagasikara, dia anisan’ny misongadina ny ara-pahasalamana: tsy
takona afenina mantsy, fa raha tsy tomombana ny fahasalaman’ny reny, na eo
am-pitondrana vohoka, na eo am-piterahana, na aorian’ny fiterahana , dia misy
fiantraikany avy hatrany izany, eo amin’ny fiainan’ny ankohonana sy ny
firenena, ary ny fampandrosoana.
Ankoatra ireo fotodrafitr’asa maro efa fantatrareo, dia
niditra tao amin’ny fandaharan’asa CARMMA I Madagasikara, efa ho roa taona lasa
izao, ary miatrika ny fanatanterahana ny ENAP, izay vao nosoniavina tamin’ny
volana janoary lasa teo, hanatevenana ny fitsimbinana ny aina, sy ny
fahasalaman’ny reny sy ny zaza menavava.
Teo koa ny fanokafana ireo ivo-toerana Vonjy, hiahiana sy
handraisana an-tanana ireo ankizy, sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra
ara-nofo.
Ny tanjona, dia ny hampielim-patrana eran’ny nosy ny
ivo-toerana Vonjy, mba hahafahana manampy ireo tratran’ny herisetra ara-nofo,
sy manasazy izay nahavita izany.
Fa tahaka ny any amin’ireo ankabeazan’ny tany
an-dalam-pandrosoana, dia ny zazavavy sy ny ankizivavy, no loha-daharana
amin’ny tsy fandehanana an-tsekoly, na ny fandaozana ny sekoly noho ny antony
samihafa: Ao ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, ny fanambadiana noterena, sy
lasa aloha loatra, na ny fahalaviran’ny sekoly, ny tsy fahampian’ny
fitaovam-pianarana sy ny boky, ankoatra ny maro tsy voatanisa.
Sehatra iray koa izay nimasoana, nitadiavana vaha olana sy
fisorohana, niaraka tamin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka
ara-bola sy teknika: nizara sy nampiely boky, tamin’ny alalan’ny fanorenana sy
fanohanana trano fitehirizana sy famakiam-boky.
Efa maromaro ihany koa no natsangana eran’ny nosy, mba
hahafahan’ireo zanantsika manovo fahalalana, miady amin’ny tsy fahaizana mamaky
teny sy manoratra, ary ny habadoana.
Tao koa ny fanomezana dabilio sy latabatra, ny fananganana
sekoly. Tafiditra ao anatin’ny ezaka hanampiana ireo ankizivavy hisitraka ny
zony feno: zo mandeha an-tsekoly, zo mianatra, zo misafidy ny asa tiany hatao,
zo mandà ny fanambadiana aloha loatra sy an-tery.
Ny hamaranako azy dia, tsy tokony anio ihany, raha ny
hevitro, no hahatsiaro ny andraikitry ny tsirairay mikasika ny fanajana ny
zon’ny vehivavy, fa isan’andro mandavan-taona.
Ary farany nefa tsy kely indrindra, dia misaotra sy
mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, na ny avy any ivelany, na ny
eto an-toerana, maro ny asa vita dia nisy ny fifampitokisana sy ny
fanoloran-tanana,
Ary tsy misy takalony, sy tsy an-tery ihany koa, fa dia
vokatry ny fon’izy ireo sy am-pitiavana tanteraka, no anampian’izy ireo ny
Malagasy.
Samia hotahian’Andriamanitra isika rehetra, ka hahatratra soa
ny faha 8 martsa 2018 indray.
Misaotra tompoko